Ny fiainanan'i mpaminany MOSESY ao amin'ny KOROANY MASINA
- Lehilahy Moslimo

- 10 janv. 2018
- 3 min de lecture
ITY MISY TANTARA TSARA HITA AO AMIN'NY BOKY MASINA KOROANY
(ny fiainana izay nodiavin'i mpaminany MOSESY) fiarabana feno fandriam-pahalemana ho azy,
Koa manasa anareo hanaraka izany hatramin'ny farany, Ary miangavy anareo haka lesona aorian'ny famakiana.

KOROANY: 28:15-30
28.15 - Niditra tao an-tanàna izy amin’ny fotoana izay nahavariana ny mponina, ka nahita lehilahy anankiroa niady izy tao, ny anankiray amin’izy ireo dia isan’ireo mpomba azy, fa ny faharoa dia isan’ireo mpanohitra azy. Niantso vonjy taminy ity lehilahy anankiray mpomba azy, hanohitra ny fahavalony. Nasian’i Mosesy totohondry izy, izay nahafaty azy. Hoy izy (Mosesy): “Izany dia asan’ny devoly, tena fahavalo mpandiso làlana miharihary tokoa izy”.
28.16 - Ka hoy izy: “Tompo ô! Nanao hadisoana tamin’ny tenako ihany aho, koa mamela ny heloko”. Dia navelany ny helony, fa Mpamela heloka, sy Mpamindra-fo tokoa Izy.
28.17 - Ary hoy izy: “Tompo ô! Noho ny fahasoavana izay nomenao ahy, dia tsy hanohana ireo meloka velively aho”.28.18 - Ny ampitso maraina, dia tany an-tanàna izy, matahotra sy mijerijery ny manodidina azy, ka indro fa niantso azy amin’ny feo mafy ilay nangataka famonjena taminy omaly. Hoy i Mosesy taminy: “Tena mpila ady miharihary tokoa ianao”.
28.19 - Raha nikasa ny hamela ny fahavalon’izy roa izy, dia hoy izy (ilay Israelita): “Ry Mosesy! Te-hamono ahy tahaka ny namonoanao ilay olona anankiray omaly va ianao? Tsy mitady afa-tsy ny ho mpanjakazaka eto ambonin’ny tany ianao, ka tsy te ho isan’ireo mpanao soa”.
28.20 - Ary tamin’izay, dia indro fa nisy lehilahy anankiray, tonga avy any amin’ny tendron’ny tanàna nihazakazaka, ary niteny hoe: “Ry Mosesy! Eo am-pikaonan-doha ny hamono anao ireo loholona. Koa mandehana ianao (miala ny tanàna). Izany no torohevitra omeko anao”.
28.21 - Nivoaka tao izy, matahotra sady mijerijery ny manodidina azy. Hoy izy: “Tompo ô! Avoty amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho”.
28.22 - Ka rehefa nandeha nankany Madiana izy, dia niteny hoe: “Mirary ny ho tarihin’ny Tompoko amin’ny làlana mahitsy aho”.
28.23 - Ary rehefa tonga tamin’ny toerana misy rano iray tany Madiana izy, dia nahita vondron’olona nampisotro rano (ireo bibiny), ka nahita vehivavy anankiroa nipetraka lavidavitra miambina (ireo bibiny). Ka hoy izy: “Inona no tadiavinareo?”. Dia hoy izy ireo namaly: “Tsy mampisotro rano izahay, raha tsy lasa ireo mpiandry ondry, fa ny Rainay dia efa antitra”.
28.24 - Dia nampisotroiny rano ny biby fiompin’izy roavavy, avy eo, dia niverina teny amin’ny aloka izy, ary niteny hoe: “Tompo ô! Tena mila ny tsara izay hampidininao amiko aho”.
28.25 - Avy eo, dia nanatona azy tamin’ny famindra feno henatra ny anankiray tamin’ireo vehivavy, ary niteny taminy hoe: “Miantso anao ny Raiko, mba hamalisoa anao noho ianao nampisotro ireo biby fiompinay”. Koa rehefa tonga teo aminy izy, ka namisavisa taminy ny tantarany, dia hoy izy (ilay antidahy): “Aza matahotra na kely aza, fa afaka tamin’ireo olona mpanao ny tsy rariny ianao”.
28.26 - Ka hoy ny anankiray tamin’izy roa vavy: “Ry Dada ô! Raiso izy (hiasa ato aminao) hikarama (amin’ny antonony), fa ny tsara indrindra hokaramaina dia izay matanjaka, sy mendri-pitokiana”.
28.27 - Ka hoy izy namaly: “Tiako hampanambadiana anao ny anankiray amin’ireto zanako vavy ireto, raha ohatra ka miasa ato amiko mandritra ny valo taona ianao, raha fenoinao folo taona izany dia miankina aminao, fa tsy tiako ny hanery anao amin’ny tafahoatra. Hohitanao aho, fa ho isan’ireo olona tsara, raha sitrak’Andriamanitra”.
28.28 - Dia hoy izy (Mosesy) namaly: “Mifanaraka izaho sy ianao amin’izany, ka na inona na inona amin’ireo fe-potoana anankiroa ireo, dia ho ataoko, tsy misy faneriterena. Fa Mpiantoka amin’izay lazaintsika Andriamanitra”.
28.29 - Koa rehefa nahavita ny fotoana nifanarahana i Mosesy, ka nandeha niaraka tamin’ny fianakaviany, dia nahita afo teny antsisin’ny tendrombohitra izy, ka hoy izy tamin’ny fianakaviany: “Mipetraha eto ianareo, fa nahita afo aho. Mety hitondra vaovao ho anareo amin’izany aho, na tapa-porohana amin’ny afo, mba hanafana anareo”.
28.30 - Ka rehefa tonga teny izy, dia nisy niantso azy, avy eo amin’ny sisiny havanan’ny lohasaha, tao amin’ny toerana masina, teo amin’ny hazo, nanao hoe: “Ry Mosesy! Izaho no Andriamanitra, Ilay Tompon’izao tontolo izao,
28.31 - ary atsipazo ny tehinao”. Avy eo, rehefa hitany mihetsika toy ny bibilava izany, dia nitodi-doha (nandositra) tsy niherikerika intsony izy. “Ry Mosesy! Manatona, fa aza matahotra, isan’ireo izay voaaro tsara tokoa ianao”.







Commentaires